Nilaza ireo manam-pahaizana fa nampiditra hery vaovao ho amin'ny fanarenana bebe kokoa ny toekarena sy ny varotra manerantany ny Foara Fanafarana sy Fanondranana Shina virtoaly izay nohalehibeazina sy nohavaozina, fantatra ihany koa amin'ny hoe Foara Canton.
Nanomboka an-tserasera tamin'ny 15 Oktobra ny fivoriana faha-132 amin'ny Canton Fair, izay nahasarika orinasa maherin'ny 35.000 avy ao an-toerana sy avy any ivelany, fitomboana maherin'ny 9.600 raha oharina amin'ny andiany faha-131. Nampiakatra vokatra "vita any Shina" maherin'ny 3 tapitrisa tao amin'ny sehatra an-tseraseran'ny foara ireo mpampiranty.
Nandritra ny 10 andro lasa, na ireo mpampiranty na ireo mpividy avy ao an-toerana na avy any ivelany dia samy nandray soa tamin'ny sehatra ary afa-po tamin'ny zava-bita ara-barotra. Nohatsaraina ny asan'ny sehatra an-tserasera, ary nohalavaina ho dimy volana ny fotoana fanompoana raha oharina amin'ny 10 andro tany am-boalohany, ka nanome fahafahana vaovao bebe kokoa ho an'ny varotra iraisam-pirenena sy ny fiaraha-miasa isam-paritra.
Tena liana amin'ny fampisehoana an-tserasera ireo orinasa sinoa ireo mpividy avy any ivelany, satria ahafahan'izy ireo mandika ny fetran'ny fotoana sy ny habaka mba hitsidihana ireo tranoheva fampirantiana sy atrikasa rahona an'ireo orinasa ireo izany.
Fotoana fandefasana: 01 Novambra 2022


